Politique

Mitatao ny loza


  • Alakamisy 10 Septambra 2015

Niala tamin’ny fahanginany ny CENI-T manoloana ny tsikera sy fanenjehana an-gazety sy amin’ny haino aman-jery an’ity rafitra nanakinana ny fikarakarana ny fifidianana nivoahana tamin’ny tetezamita ity.


 Milaza ny CENI-T fa vonona ny hitondra ny fanazavana rehetra takian’ny Fitsarana ka miantso ny rehetra hiandry am-pitoniana sy am-pahamendrehana izay fanapahan-kevitra horaisin’ny Fitsarana. Anio, eny Ampahibe dia hanao fanehoan-kevitra miaraka ny Tafika malagasy sy ny zandarimariam-pirenena ary mety hamaly ny fanakianana azy ireo manoloana ireo vono olona tsy mandalo fitsarana miseholany amin’ny hetsika Fahalemana sy ny fitakian’ny mpanao politika sasany ny handravana ny zandarimariam-pirenena. Eny Tsimbazaza mandritra izany dia mifanipy baolina ny samy Parlemantera mikasika ny fisiana na tsia ilay «Mémorandum». Tranga izay mampibaribary fa manjaka ny ahiahy sy ny tsy mifampatokisana eny fa na samy mpitondra, ka mitatao ny loza.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT