Politique

Miseholany ny tsy fandriampahalemana any amin’ny manodidina an’Antsirabe voalohany. Nitrangana vaky fasana indray mantsy tao amin’ny fokontany Fiadanana taorian’ilay halatra omby vao tsy ela iny. Raha ny nambaran’ny lehiben’ny Fokontany, Atoa Andriamorasa


  • Alatsinainy 11 Mey 2015

Miseholany ny tsy fandriampahalemana any amin’ny manodidina an’Antsirabe voalohany. Nitrangana vaky fasana indray mantsy tao amin’ny fokontany Fiadanana taorian’ilay halatra omby vao tsy ela iny. Raha ny nambaran’ny lehiben’ny Fokontany, Atoa


 
Andriamorasata Davidson dia ny sabotsy tokony ho tamin’ny 12 ora no tsikaritry ny olona mpiandry omby naka vilona fa nisokatra ilay fasana ka nampandre ny olona izy ireo. Tsy ela dia tonga ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana. Ny nahagaga dia ireo razambe niisa 3 ihany no nosavoritahan’ireo tsy mataho-tody. Ireo razana hafa nanodidina ny 80 teo ho eo kosa tsy nisy nikitika fa notapahan’izy ireo fotsiny ny tady namatotra azy. Izany Rainisalama Betoera sy Rabevazaha ary Rainisoaray izany ireto razambe nisy nangalatra ireto, izay voalaza fa anisan’ny nanorina ny tanànan’i Fiadanana tany aloha tany. Ambaran’ny mponina fa mety ho ankasomparana izao tranga izao. Sambany moa no nitrangana vaky fasana teo amin’ity fokontany tsy lavitra akory ny renivohitra ity.

 

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT