Ela ny ela fa tanteraka ihany ny fihaonana teo amin’ireo filoham-pirenena 5 nifandimby teto Madagasikara. Omaly no nahavitan’ny dingana voalohany teny Ivato. Ny filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM no nitarika ny dinika.
Manodidina ny ora 8 teo ny fifampiresahana tamin’ireo filoha teo aloha Didier Ratsiraka, Albert Zafy, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina. Tena hentitra ny fitandroana ny filamianna, tsy nisangisangy mihitsy ireo miaramila misatroka mena avy ao amin’ny Hery Vonjy taitran’ny RFI. Tazana nanara-maso teny an-toerana mihitsy moa ny CEMGAM. Tsy nisy ny vaovao nivoaka nandritra ny fivoriana na dia teny iray aza, tao anatin’ny filaminana ny zava-drehetra.
Mivoaka ny gadra politika
Tao amin’ilay hotely lehibe kintana 5 vita tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana, rihana faha-22 no nanatanterahana ny fivoriana. Rehefa vita ny adihevitra sy ny fifandaminana dia nidina tany amin’ny rihana faharoa ny filoham-piangonana 4 mirahalahy sy ireo filoha 5 ka tao no nanaovana ny fanambarana. Nifanaiky ary ny rehetra fa havoaka mialoha ny faran’ity taona 2014 ity ireo gadra politika, hodinihina manokana ny momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Araka ilay fanambarana ofisialy dia nanambara ny filoha am-perinasa fa handray andraikitra amin’ny famotsorana ireo gadra politika alohan’ny faran’ny taona ary hijery ny mikasika ny filoha Ravalomanana. Atao ao anatin’ny fampihavanana araka ny FFKM izany ary tsy manafoana ny raharaham-pitsarana momba azy ireo. Mbola hitohy amin’ny 13 janoary 2015 indray moa ny dinika mba hanomanana ny fandraisan’ny vahoaka anjara amin’ny fampihavanana, hoy hatrany ny fanambarana. Hita tamin’ny endrik’ireo filoham-pirenena fa henjankenjana ny fifampiresahana, tsapa ihany koa anefa fa nahay nifanaraka izy ireo mba hirosoana lalina kokoa amin’ny fampihavanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.