Tsy voafetra ny fitokonan’ireo mpiara-miasa miisa 281 ao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny izay nanomboka omaly talaa 29 mey, tetsy Anosy.
Zava-droa loha izay efa notakiana tao anatin’ny 20 taona no mbola hamafisinay mandraka ankehitriny ny fitakiana azy, hoy izy ireo. Voalohany ny fitakiana drafitra ho an’ny ho avy ho an’ireo mpiasa na ny « Plan de carrière ». Faharoa, ny tambin-karama rehefa mampahafantatra ny nosy any amin’ireo firenen-kafa na « indemnité de présentation ». Efa ao ny vola mikasika an’io, hoy izy ireo, fa ny fanatanterahana sisa. Ny 10%-n’ny mpiasa ao amin’ny MAE ihany hatreto no mba miasa amin’ireo ambasady. Nakatona nanomboka omaly avokoa moa ny raharaham-bahiny rehetra, raha ny fanazavana, ary maro ny fikatsoana haterany. Mikatso, ohatra, ny fanaovana pasipaoro, ny taratasy fanamarinana isan-karazany, ny resaka famafan-ketra isan-karazany (dédouanement et détaxation) sy izay rehetra heverina fa ilana ny minisiteran’ny raharaham-bahiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.