Politique

Minisitry ny serasera Nahazo teny gasy tamin’ireo depiote


  • Alarobia 01 Jolay 2015

ahazo teny naharary sy nivantambatana tamin’ireo solombavambahoaka omaly teny Tsimbazaza, tamin’ny fanotronany ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehana nentina nandaniana ny fandaharam-potoana manaraka hamaranan’ny Antenimiera ny fivoriana ara-potoana voalohany hatrehan’izy ireo ankehitriny ny minisitry ny serasera sy ny filazam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Andrianjato Razafindambo Vonison

 

N. Nahitsy dia nahitsy, ohatra, ny fanehoana ampahibemaso nataon’ny kestora III Guy Rivo Andrianarisoa namaly ny tenin’ingahy minisitra nilaza fa ho fanabeazana ny olona manerana ny Nosy dia aoka mba tsy halefa mivantana amin’ny haino aman-jerim-pirenena ny adihevitra mety haniratsira filoham-pirenena lanim-bahoaka. Nilaza izy fa tena fanambaniana anay depiote sady faniratsirana anay izany valin-teninao izany ka tsy hoekenay intsony. Efa 18 volana izahay no nandefitra tamin’izany fanimbazimbana foana anay solombavambahoaka izany, hoy ny depiote Guy Rivo.

Ny filoha lefitry ny Antenimiera faritany Mahajanga kosa, ny depiote Rémi na i Jao Jean dia nanitrikitrika fa manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ianao Atoa minisitra amin’izany fanambaranao izany ka azo heverina fa ianareo minisitra ireo amin’ny ataonareo no tena mpanongam-panjakana. Tsy nisalasala koa izy niteny fa hoe “izao fihetsika ataonao izao Atoa minisitra no naha may foana an’io Radiom-pirenena malagasy io ary mety mbola haha may azy koa amin’ny manaraka raha mitohy izao.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT