Politique

Minisitry ny fiarovam-pirenena « Tsy mendrika handalo krizy intsony i Madagasikara »


  • Zoma 07 Desambra 2018

Natao tetsy amin’ny CEMES Soanierana omaly alakamisy 6 desambra ny lanonam-pamaranana ny fiofanana nandritra ny 4 andro nataon’ireo manamboninahitra avy ao amin’ny tafika izay miompana amin’ny tontolon’ny serasera.

 

 

 Natrehin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier ary nisy ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo 25 mianadahy nahavita ny fiofanana. Ny governemanta Amerikanina moa no tompon’antoka tamin’izao ary saika avy amin’ny etamazaoron’ny Amerikanina miasa sy mipetraka eto Afrika no nizara ny traikefa sy ny fahaiza-manaony. Tamin’ireo 25 ireo dia nisy ny sivily miasa ao amin’ny tafika sy ny solontenan’ny mpanao gazety nandray fiofanana ihany koa. Zo fototra ny fampahalalam-baovao sy ny famosahan-kevitra kanefa mety hamotika fiainana firenena na olona iray izany na mifanohitra amin’izay, hoy ny minisitra noho ny firoboroboan’ny teknolojia vaovao. Ilaina ny fifehezana sy ny fandanjalanjana ny fikirakirana ny tambajotran-tserasera. Amin’izao ankatoky ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena izao dia nanainga ny tafika ny minisitra mba hiantoka tanteraka ny filaminana sy ny fitoniana, indrindra hiaro ny tena safidim-bahoaka. Ampy izay ny krizy niverimberina nahataraiky an’i Madagasikara teo amin’ny lafiny fampandrosoana ary tsy mendrika handalo izany intsony ny firenena ka tompon’antoka ny rehetra ny amin’ny fanomezana vaovao marim-pototra sy ny tokony tsy hifandranitana intsony satria ireny ihany no hiteraka korontana, hoy izy.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT