Politique

Minisitra Voanalaroy Handray ny toerana maha depiote azy eny Tsimbazaza


  • Alakamisy 05 Febroary 2015

Hiverina handray ny toerana maha solombavambahoaka voafidy tao Brickaville azy tamin’ny anaran’ny fikambanana “Mpirahalahy Mianala” Randrianarisoa

 

Voanalaroy, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly. Niato nanomboka omaly, nivoahan’ny didy, ihany koa ny andraiki-dRakotomanana Solonirina nisolo toerana azy tao Tsimbazaza nandritra ny  naha minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka ary ny fampiroboroboana ny taozavatra tao amin’ny governemanta Kolo Roger an’i Voanalaroy, nanomboka ny18 aprily 2014 ka hatramin’ny 25 janoary 2015 nanesorana azy tamin’ny toerany. Depiote voafidy tany amin’ny Distrikan’i Manja i Fienena Richard (VPM/MMM) talohan’ny nanendrena azy ho minisitry ny angovo tao amin’ny governemanta Kolo Roger. Nesorina tampoka tamin’izany toerana minisitra izany izy tamin’ny oktobra 2014, saingy tsy niverina nandray ny toerany eny Tsimbazaza.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT