Tsikaritra eny amin`ny tambajotran-tserasera fa mijery ny mpiray tanindrazana sy manampy ary manao asa soa ny minisitra very seza sasany.
Sahirana ny vahoaka malagasy ary mila fanampiana be mandavan-taona mihitsy mba hiaina ao anatin’ny fahampiana sy manaraka ny fenitra ilaina amin’izao vanim-potoana ankehitriny izao. Toy ny minisitra Narison Rafidimanana dia nilaza fa mifantoka amin’ny fanaovana asa sosialy. Nisintaka amin’ny tontolo politika mihitsy aloha i Narson Rafidimanana na Coco Bezarko ary manohy ireo asa sosialy efa fanaon’ny rainy ankehitriny. Nanao jery todika ny tenany, nandinika, nihaona ary nifampitafa tamin'ireo mpiray tanindrazana tany ambanivohitra lavitra tany. Niara-niaina tamin'izy ireo, nifampizara ny andavanandrony, ny fahasahiranany, ny hetahetany. Tsy izy irery ihany anefa no mifantoka amin`ny asa sosialy ankehitriny. Tsy azo lavina fa ny fitiavan-tanindrazana no lalana ahatongavana amin'ny firaisankinan'ny olom-pirenena saingy maninona rehefa tsy eo amin`ny fahefana intsony vao mahay mijery ny olana eny ifotony ? Tamin`ny naha minisitra azy dia maninona no tsy afaka namaha ireo olana nianjady tamin`ny mpiray tanindrazana ? Volam-panjakana no nanakaramana azy ireo ary volam-bahoaka. Faly nandray karama sy tambin-karama ary ny tombontsoa rehetra avy amin’ny fanjakana fotsiny angamba. Eto Madagasikara, raha tsy manana fahefana dia tsy afaka manao zavatra ka tsy mbola takatry ny fahendrena sy ny fitiavana hananan’ny manampahefana Malagasy tokoa ny toe-tsaina toy izany fa ny azy ireo dia hiady tombontsoa no laharam-pahamehana voalohany. Raha ny tokony ho izy, Raiamandreny ny minisitra ary mila mampiseho modely eo amin’ny fiarahamonina. Raha ny lojika, ny ray aman-dreny no mamelona sy manavotra ny zanaka. Ny eto amintsika kosa ny ray aman-dreny te hiadana ao ambonin’ny fahazoana toerana sy andraikitra ary tombontsoa mihoapampana amin’ny alalan’ny vola sy harem-panjakana satria voafaritry ny lalàna hisitraka izany izy ireo. Inona no natao hatramin`izay ? Sa henjehin`ny eritreritra ka tapa-kevitra hanampy ny manodidina ? Misy kosa anefa ny lafiny tsara ary tsara raha samy manao tahaka izany daholo fa ho haingana kokoa ny fampandrosoana eto amintsika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.