Nilaza ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro Andriatiana Jacques Ulrich fa dia hatolony ho an'ny tanŕnan'i Nosy-Be ny karamany herintaona.
Ho fandraisany anjara amin'ny fanadiovana sy fanatsarana ity tanànan’ny fizahantany ity. Naparitak'ingahy minisitra tamin'ny tambajotran-tserasera facebook moa izany hetsika ataony izany. Tsy nanonona sorabola izy fa nataony resaka ankapobeny, izay tsy misy maharatsy azy ary iderana azy aza. Fa ny mampametra-panontaniana amin'ny tranga toy itony dia ny hoe : vola inona sy avy aiza moa izany no hiainan'ingahy minisitra andavanandro sy hisahanany ny filany manokana ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.