Politique

Minisitra teo aloha “Aza avela handositra any ivelany”


  • Talata 05 Jona 2018

Rava iny ny governemanta, efa tafajoro ny Fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice).

 


 

 Takiana ny famoahana tsy fahafahana mivoaka any ivelany na IST ho an’ireo mpikamban’ny governemanta teo aloha, hoy ny fanehoan-kevitr’i Sazalahy Tsianihy mpitarika ny TIM Atsimo Andrefana sy Rasamizafy Simon, mpiandraikitra mpikatroka TIM misahana andraikitra ambony any amin’iny faritra Atsimo  Andrefana iny omaly. Antony, tsy hisy afaka handositra an’i Madagasikara fa miatrika ny zava-misy sy ny fitsarana satria maro ireo manana afera maloto, hoy hatrany izy ireo. Aleo handeha ny fitsarana, ka rehefa mazava fa madio vao homena alalana. Minisitra sy tompon’andraikitra ambony maro rahateo no nahenoana resaka afera maloto. Miantomboka amin’ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay notorian’ny depioten’ny fanovana, ny raharaha Houcine Arfa sy ny resaka volabe 70 000Euros nahasaringotra ny minisitry fitsarana, ny raharaha maloto heno ao amin’ny minisiteran’ny asam-panjakana ... Ankoatra izay, mitaky ny handravana ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM ihany koa izy ireo. Raha ny zavatra nitranga teny amin’ny CCI Ivato ny zoma lasa teo no tarafina, hoy izy ireo dia azo ambara fa tsy sokajin’olona tokony hitarika ny fampihavanam-pirenena ny ao amin’io rafitra io, ka mila ravana tsy misy indrafo. Hentitra izy ireo nilaza fa manakorontana ary manala baraka ny soatoavina Malagasy satria tsy mbola nisy Raiamandreny nandamina, ka totohondry no niafarany. Lasa kabary an-tsena ny fahitana azy. Anjaran’ny Raiamandreny ao amin’ny FFKM no tokony hisahana ny fampihavanana fa tsy hain’ny CFM. Ny fanofanana tarihin’ny depioten’ny fanovana miisa 73 no tohanan’ny vahoaka Malagasy fa tsy ny CFM izay toa tsy mahalamin-javatra fa mitondra korontana aza.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT