Politique

Minisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier Tsy sazy akory ny famoahana ny IST


  • Talata 16 Jona 2015

Tonga eto Tsimbazaza izahay hifanatrika amin’ireo solombavambahoaka satria nantsoina, hoy ny minisitry ny atitany Solonandrasana Solonandrasana Mahafaly Olivier tamin’ny faran’ny herinandro teo, satria vonona hifanatrika amin’izy ireo fa izany no voalazan’ny lalàmpanorenana, izany no fototry ny demokrasia.

 

 Izay hisiana na tsy hisian’ny dinika eto dia miankina amin’ny  fifandaminana anatiny ety amin’ity rafitra ity. Raha jerena amin’ny fo tony dia tsy anjaranay ny resaka fandefasana mivantana amin’ny TVM ny dinika  eto amin’ity lapa ity fa misy antony angamba izany nefa mbola eo ny minisitra tompon’andraikitra amin’io. Na izany aza dia azo atao tsara ny mifanazava amin’ireo solombavambahoaka ireo. Mikasika ny resaka IST dia tsy sazy akory izy iofa “mesure administrative” fotsiny hoe misy ilan’ny fitsarana ilay olona na ny mpanao famotorana koa ka tsy mahazo miala ny toerana misy azy izy mba tsy hanahirana ny fiantsoana raha ilaina. Misy moa, hoy izy, mandika vilana ny zava-misy ka manahirana. Marihana fa tsy tonga teny an-toerana kosa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena izay anisan’ny voafaritry ny fandaharam-potoanan’ireo depiote fa tokony hihaona amin’izy ireo. Ireo depiote aza moa, araka ny efa nambarantsika teto, dia efa zatra ny miala ny renivohitra mamonjy ny toerana misy azy ireo rehefa faran’ny herinandro manomboka ny  andro zoma ka azo nisana tamin’ny ratsan-tanana ireo tonga teny Tsimbazaza omaly. Izy ireo rahateo, hoy ny depiote Jean Max filohany, dia tsy hanohy ny dinika amin’ireo  minisitra mihitsy raha tsy misy ny fandefasana ny feo sy sary amin’ny haino aman-jerim-panjakana indrindra ny TVM mba hamalian’ireo mpanatanteraka ny lazain-dry zareo fa fanalam-baraka atao amin’izy ireo henon’ny vahoaka nifidy azy. Andrasana indray izany izay ho fandaharam-potoana vaovao hovolavolain’ny birao maharitr’ity Antenimiera ity amin’ny alatsinainy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT