Tsy sambany saingy niavaka kosa ny fandraisan’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka sy ramatoa vadiny, ireo tanora sy olona nasainy manokana niara-nifety taminy tany an-tranony tao Salazamay Toamasina ny sabotsy tolakandro,
noho ny taona vaovao. Nandritra izany no nisaoran’Atoa Roland Ratsiraka ireo tanora nahavita be sy nitondra avo ny lazan’ny tananan’i Toamasina tamin’ny sehatra maro, ka isan’izany ny Steff-Auto tamin’ny volley-ball, ny mpanao Sand-Ball (hand ball amin’ny tora-pasika), ny AS CUT basket-ball, ny AS CUT mpanao hazakazaka, ireo mpiangaly Moto Cross, ny mpanakanto Deenyz, ny vondron’ny tanora “Ino Maresaka Tamatave” (IMT)…ary ireo mpanao gazety ao Toamasina. Nirary soa ho an’ny taona 2015 izy ary nilaza fa mila asa mafy, mila ezaka goavana, mila mandroso haingana amin’izay ary mila mifankatia ny Malagasy. Nohararaotin’Atoa Roland Ratsiraka ihany koa ity fotoana ity nilazana fa vola amina miliara vao mahavita lalana 01km raha mora indrindra eto amintsika, koa tsy vahaolana ny fandoroana kodiarana eny afovoan’ny arabe fa manafaingana fahasimban’ny ny foto-drafitr’asa efa mba vita ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.