Politique

Minisitra Ramanantenasoa Noeline Tsy maty voalavo an-kibo !


  • Alakamisy 30 Oktobra 2014

“Trano tsara, namboariny ihany, no ipetrahany (Marc Ravalomanana) any Antsiranana, fa tsy toy an’ny praiminisitra Tantely Andrianarivo teny Antanimora».

Fanamarihana nentin’ny minisitry Fitsarana Ramanantenasoa Noeline, io raha nanontanian’ny mpanao gazety ny fomba itazonana ny filoha teo aloha any Antsiranana ny tenany. Hita taratra ao anatin’io valintenin’ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity fa tsy maty voalavo an-kibo amin’ny raharaha 2002 ny tenany ary hita taratra eny ihany koa ny maha olon-dRatsiraka azy. Vadiny rahateo moa ny Governoran’ny Faritanin’i Fianarantsoa tamin’ireny raharaha 2002 ireny, Atoa Emilson. Fa ny nanaitra tamin’ny fanazavany dia ny hoe : tsy mbola miditra amin’io raharaha Ravalomanana io ny Fitsarana. Ny lehiben’ny zandary ato amin’ny faritanin’Antananarivo, kolonely Rakotomahanina Florens, anefa milaza mazava fa nohalavaina ny fotoana itazonana an-dry Jean Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM any Antsirabe miisa efatra, mba hahafahana manitatra ny fanadihadiana. Tsy ny OPJ (Officiers de police judiciaire) na ireo mpanao fanadihadiana no manira-tena hanitatra ny fotoana hanaovany ny asany fa tsy maintsy fanomezan-dalana avy amin’ny lehiben’ny fampanoavana izany hoe Fitsarana. Ka inona no tena tian-dramatoa minisitra hahatongavana ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT