Politique

Minisitra Onitiana Realy Mampirisika ny vehivavy hanao politika


  • Talata 21 Aprily 2015

Mbola tena vitsy an’isa ireo vehivavy manampahefana sy manana anjara toerana amin’ny fanapahan-kevitra eto Madagasikara. 6 monja ny vehivavy minisitra ao anatin’ny governemanta ary tena mbola vitsy ireo vehivavy solombavambahoaka eny Tsimbazaza.

 

Tsy tratrantsika ny tanjona amin’ity taona 2015 ity mba hampitovy isa ny lahy sy vavy amin’ny toeran’ny fanapahan-kevitra,  hoy ny minisitry ny mponina Onitiana Realy, ka izay no nampirisihany ireo vehivavy tahaka azy mba hazoto hirotsaka hofidiana mpanolotsain’ny tanàna na ben’ny tanàna mihitsy. Nampahafantariny omaly teny amin’ny hotely Ibis Ankorondrano ny paikady nasionaly entina manohana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy amin’ny fifidianana kaominaly hotanterahana ny 31 jolay ho avy izao. Maro ny olana mbola sedrain’ny vehivavy manoloana ny resaka fifidianana eto amintsika ka anisan’izany ny olana ara-bola, matanjakana kokoa ireo kandida lehilahy. Eo ihany koa ny olana amin’ny maha reny azy satria mbola mitaiza izy, ohatra, ka tsy tena afaka tsara mifantoka amin’ny politika. Eo ihany koa anefa ny toe-tsain’ny lehilahy sasany izay tsy mbola manaiky ny vehivavy miasa sy mandray andraikitra eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT