Politique

Minisitra manao afera sy kolikoly Nampitandrina mafy ny praiminisitra


  • Alarobia 28 Janoary 2015

Hentitra ny praiminisitra Jean Ravelonarivo omaly nandritra ny filankevitry ny governemanta voalohany teny Mahazoarivo. Nampitandrina avy hatrany izy fa tsy hisy indrafo ho an’ireo minisitra voatonontonona amin’ny raharaha boaderôzy, izay endrika fandripahana tsotra izao ny harem-pirenena. Eo amin’ny fomba fiasa indray dia averina ny fanaovana « pointage » isaky ny minisitera ary tsy maintsy manaja ny ora fidirana sy ora firavana ara-dalàna ny mpiasa rehetra. Miandry vokatra ny

vahoaka, hoy ny praiminisitra ka noho izany takiana ny asa mivaingana isaky ny minisitera, ary tsy azo ekena ny fahadisoana avy amin’ny minisitra. Nametraka fomba fiasa hentitra sady haingana ihany koa ny praiminisitra ka tsy maintsy voakirakira sy voadinika ao anatin’ny 72 ny antontan-taratasy iray voaray, ary tsy mihoatra ny 7 andro ny fanaovana Sonia. Izany no natao dia mba hisorohana ny mety hisian’ny kolikoly. Napetraka ho fototra hiaingan’ny fandaharanasan’ny minisitra tsirairay moa ny PND na ny paikadim-pirenena ho amin’ny fampandrosoana, ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakaa ary ny drafitry ny hamehana avy amin’ny filoham-pirenena. Hentitra dia hentitra aloha hatreto ny fahitana ny praiminisitra Jean Ravelonarivo, izay manamboninahitra jeneraly moa. Misimisy ihany anefa ny gaboraraka sy ny fomba fiasa tsy araka ny tokony ho izy eto amintsika, indrindra fa ao anatin’ny asam-panjakana koa dia miandry ny rehetra raha tena hahavita hanova zavatra tokoa ny ny lehilahy.

 


 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT