Politique

Minisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana «Horavanay ny Antenimieram-pirenena»


  • Zoma 05 Jona 2015

Resaka mba tiana hamalifaliana ireo mpikamban’ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) any Bealanana sa tena misy finiavan’ny fitondrana handrava ny Antenimieram-pirenena tokoa any ? Nanaitra ny tenin’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Mahafaly Olivier Solonandrasana, ny fiandohan’ny

herinandro teo, nandritra ny fampahafantarana ireo kandidan’ny HVM any amin’ny Distrikan’i Bealanana amin’ny fifidianana kaominaly hotontosaina amin’ny 31 jolay ho avy izao. «Coach» ny HVM any Sofia ny minisitry ny Atitany. Ny rindrina aza, hono, manan-tsofina. Teny niverimberina tamin’ny diany tany ny hoe «aza miala amin’ny mpandoa-bary» sy ny hoe «hafa ihany ny miaraka amin’ny fanjakana». Notondroiny manokana ny Solombavambahoaka MMM voafidy tany Bealanana, Volahaingo Marie Thérèse, fa anisan’ny manongana ny filohan’ny Repoblika, ka tamin’izany no namoahan’ny minisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana teny fa «tsy maintsy horavanay io Antenimieram-pirenena io».

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT