Politique

Minisitra Dadafara Voakiana mafy teny Tsimbazaza


  • Alarobia 19 Novambra 2014

Raha nisy minisitra niantefan’ny tsikera mivaivay nandritra ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza dia ny minisitry ny fiompiana,

Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara. Ny tsy fandraisan’ity minisitra ity fepetra hentitra hanakatonana ireo abatoara sinoa, izay tondroin’ireo depiote fa anisan’ny tena mampirongatra ny halatra omby any atsimo no nampiaka-peo azy ireo. Efa nisy ny fehin-kevitra niraisan’ny depiote zato mahery hanafoanana io halatra omby io nefa tsy nampiharin’ny minisitra, ka vao mainka nampiaka-pofona ireto solontenam-bahoaka ireto. Ahiana hitarika fikatonan’ireo toeram-pamonoana omby eto an-drenivohitra ny fisian’ny abatoara sinoa io ary olona manodidina ny 300 no ho very asa raha etsy Ampasika fotsiny, hoy ny depioten’Atsimondrano Randriarimalala Harijaona na Jaona Elite.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT