Manoloana ny toe-draharaha politika izay mafampana amin’izao fotoana dia niantso ny Malagasy ho tony Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara
“ Efa entina hodinihana mandritra ny fampihavanam-pirenena ny raharaha Ravalomanana, ka aoka samy ho tony isika rehetra miandry ireo dingana ho amin’izany”, hoy izy. Notsipihan’i Dadafara fa “ efa nanolo-tanana ny filoha teo aloha ny fitondrana ary efa naneho endrika fampihavanana matoa tsy nisambotra azy vao fantatra fa tonga eto izy”. Raha ny nambaran’ny minisitra Dadafara mantsy dia “ tamin’ny dimy ora maraina no efa nampahafantatra ny fanjakana ny “renseignements généraux” fa eto an-tanindrazana Ravalomanana”. Raha ny fanazavany hatrany dia “ fanampiana ny filoha entina hiarovana ny ainy ny fakana azy tany an-tranony fa tsy fisamborana tsy akory.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.