Samy namaly ny antson’ireo depiote ho eny Tsimbazaza hifanazava amin’izy ireo ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana sy ireo mpanara-dia azy ary ny minisitry ny fiompiana izay nifanaja tanteraka tamin’ireo solombavambahoaka satria anisan’ny depiote lany tany Mananjary no nisafidy ny ho minisitra rehefa voatendry amin’izany toerana izany
. Maneho ny fahavononana amin’ny firesahana amin’ireo depiote ny tena matoa tonga ety Tsimbazaza, hoy izy, ary tsy olana ho anay izany fandefasana mivantana ny fifanazavana amin’ny TVM izany nefa tena notakian’ireo depiote mafy mihitsy ka tsy tanteraka ny fihaonana fa izao nirava maina izao. Marihina fa tsy tonga teny an-toerana ny minisitra fahatelo tokony hihaona tamin’ny hariva dia ny minisi-panjakana misahana ny asa eny anivon’ny prezidansa sy ny fanajariana ny tany ary ny fotodrafitrasa. Asa izay mbola hiseho indray anio zoma 12 jona maraina fa mbola ao anatin’ny fandaharam-potoana voasoratra amin’ny tabilao eny Tsimbazaza ny handraisana ny minisitra 3 hafa indray toy ny fanabeazam-pirenena sy ny minisitry ny indostria ny ny asa tanana. Ho avy indray ve ny TVM handefa mivantana ny fihaonana araka ny fanirian’ireo solombavambahoaka sa tsia ? Ho tonga hamonjy ny fivoriana koa ve ireo depiote efa zatra ny manomboka miala sasatra mody any an-tanànany rehefa zoma faran’ny herinandro ? Araka ny fantatra teny an-toerana rahateo dia mbola misimisy ihany ireo solombavambahoaka mamita iraka any ivelany ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.