Politique

Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena Mangataka minisitra teknisianina ny Sendikan’ny mpiasa


  • Talata 05 Jona 2018

Nanomboka omaly ihany koa ny grevin’ny mpiasan’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena eny Ambohijatovo.

Mitaky ny hametrahana minisitra teknisianina izy ireo aorian’izay mety ho fifanarahana politika hitranga. Nametraka fepetra  izy ireo ny amin’ny izay ho fanendrena  minisitra hitantana manaraka eo.  Voalohany dia tsy maintsy mpiasam-panjakana manana catégorie 8 cadre A nivoaka tamin’ny sekoly manokana mikasika ny tanora sy ny fanatanjahantena. Manaraka izay dia olona manana traikefa sy fahaiza-manao momba ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ary farany dia olona efa nahavita fito taona farafahakeliny tao amin’io minisitera io. Ampy izay ny fampijaliana, ny antsojay, ny fanevatevana, ny fitiavan-kely, hoy izy ireo. Mafy loatra ny hanaovan’ireo mpitantana ny olona ECD kanefa mba manana ny mari-pahaizana nidirany tao. Tao anatin’ny efatra taona dia misy ihany koa ireo mpianatra navoaka tamin’ny Académie nationale du sport kanefa tsy mahazo toerana foana. Efa misy amin’izy ireo no efa mananika ny 40 taona nefa tsy mandalo fianaran’asa na stage akory noho ny tsy fahamatorana sy ny fampidirana olona tsy ara-dalàna. Any amin’ny faritra aza moa dia maro ireo olona apetraka fotsiny noho ny antony politika kanefa tsy manana fahaizana sy traikefa mahakasika ity minisitera ity akory. Tsy maintsy mandeha miala any koa ireo staff technique rehetra araka ny fitakian’izy ireo satria tsy misy ny vokatra azo nandritra ny 4 taona. Mahamenatra fa na ny trano fivoahana ampiasain’ny mpiasa madinika aza tsy vitan’ireo fa maloto tanteraka kanefa mamoaka vola lava amin’ny zavatra tsy laharam-pahamehana.

 

 

Tsiry sy Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT