Mitohy ihany ny famindram-pahefana eo amin’ireo minisitera isan-tokony. Omaly dia nahavita ny azy ihany koa ny teo anivon’ny tontolo iainana. Nandritra izany no nilazan’ny minisitra teo aloha Ramparany Anthelme fa anisan’ny minisitera mahazo tsikera sy mafampana ny an’ny tontolo iainana ka tsy tokony hihemotra amin’izany ny minisitra vaovao
, indrindra mahakasika ny ady atao amin’ireo mpanondrana hazo sarobidy. Tetsy an-kilany ny minisitra vaovao misahana ity departemantan’ny tontolo iainana ity Atoa Beboarimisa Ralava dia nilaza fa hametraka politika hentitra momba ny fanjakana tsara tantana sy ny ezaka entina hanafoanana ireo tsy maty manota amin’ny fanondranana ny harem-pirenena. Nilaza ny tenany fa tsy hifidy na iza na iza fa rehefa misy ny porofo mazava dia saziana avokoa ireo olona rehetra mandripaka boaderozy amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Raha ny fantatra mantsy dia misy sahady ny mandrahona ny minisitra vaovao fa na dia izany aza dia tsy hihemotra ny tenany ary mitohy ny asa efa natomboka.
Tojo
Sary : famindram-pahefana teo amin’i Anthelme Ramparany sy Beboarimisa Ralava teny Antsahavola omaly.(sary Rakotobe Michel)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.