Nesorina tsy ho Tale jeneralin’ny ORTM i Rufin Rakotomaharo. Nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly teny Iavoloha no nandraisana ny didim-panjakana mikasika ny fanesorana azy.
Ramanantsoa Zafinjoelina, Tale teknika hatramin’ny andron’ny tetezamita tao amin’ny TVM no nasolo ny toerany. Fa naverina amin’ny toeran’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fampahalalam-baovao sy ny serasera ary ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana ihany koa Ramanankamonjy Guy Laurent. Tale jeneraly tao ihany izy talohan’io fanendrena famindran-toerana io, toerana izay efa notanany tamin’ny tetezamita fony Rolly Mercia na Rahajason Harry Laurent, minisitra. Mazava ny tian’ny fitondrana Rajaonarimampianina hahatongavana amin’ny nanankinana andraikitra ambony amin’itony olon’ny tetezamita itony, fa ny hanao izay tsy hahitan’ny MBS, ireo haino amanjerin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, masoandro raha mbola izy ireo no eo amin’ny fitondrana. Ny fitoriana napetraky ny MBS eny amin’ny Filankevi-panjakana tamin’ny volana jona 2015 aza moa tsy nisy tohiny intsony hatramin’izao, nefa efa misasaka ihany ity ny volana oktobra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.