Mbola betsaka ireo firenena mpiara-miasa amin’i Madagasikara no tsy manana masoivoho, hoy ny minisitry raharaham-bahiny vaovao Atallah Béatrice. Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny minisitera, hoy ny tenany ny diplaomasia politika sy ekonomika ho an’ny firenena Malagasy.
Tafiditra ao antin’izany ny hitrandrahana ireo fihaonana iraisam-pirenena handraisan’i Madagasikara anjara ho tombontsoa ho an’ny firenena Malagasy. Araka izany dia hiezaka ny minisitera hanamafy ny fifandraisany amin’ny firenen-kafa. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena manokana ireo masoivoho Malagasy any ivelany. Hisy ny tomban’ezaka atao amin’ireo diplaomaty Malagasy any ivelany ka miankina amin’ny zavatra vitan’izy ireo no hitazonana azy ireo ho amin’ny andraikiny. Na izany aza, hoy hatrany ny minisitra vaovao dia misy ihany koa ny fikasana hanokatra masoivoho vaovao hafa any ivelany mba hanatrarana ny tanjon’ny firenena Malagasy amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.