Politique

Minisiteran’ny raharaham-bahiny Hojerena manokana ireo masoivohon’i Madagasikara any ivelany


  • Talata 03 Febroary 2015

Mbola betsaka ireo firenena mpiara-miasa amin’i Madagasikara no tsy manana masoivoho, hoy ny minisitry raharaham-bahiny vaovao Atallah Béatrice. Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny minisitera, hoy ny tenany ny diplaomasia politika sy ekonomika ho an’ny firenena Malagasy.

 

 Tafiditra ao antin’izany ny hitrandrahana ireo fihaonana iraisam-pirenena handraisan’i Madagasikara anjara ho tombontsoa ho an’ny firenena Malagasy. Araka izany dia hiezaka  ny minisitera hanamafy ny fifandraisany  amin’ny firenen-kafa. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena manokana ireo masoivoho Malagasy any ivelany. Hisy ny tomban’ezaka atao amin’ireo diplaomaty Malagasy   any ivelany ka miankina amin’ny  zavatra vitan’izy ireo no  hitazonana azy ireo ho amin’ny andraikiny. Na izany aza, hoy  hatrany ny minisitra vaovao dia misy ihany koa  ny fikasana hanokatra masoivoho vaovao hafa any ivelany mba hanatrarana ny  tanjon’ny firenena Malagasy amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena.


Tojo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT