Mijery akaiky sy manampy ireo olona sahirana ara-pivelomana ny minisiteran’ny mponina. Nizara bodofotsy ho ana tokantrano tsy manana toeram-ponenana mazava miisa 179 ny sabotsy lasa teo ny minisitra Onitiana Realy
. Ireo olona sahirana matory eny amoron’ny arabe teny Andravoahangy, Behoririka, Antanimena, Analakely, tonelina Ambohidahy, Anosibe, Ambohijatovo no nisantarana ny fizarana tamin’ity indray mitoraka ity mba ho fanampiana azy ireo noho ny hatsiaka ao anatian’ny ririnina, fa mbola ho avy ny an’ny faritra hafa,hoy ny fanazavana.Niresaka tamin’ireto olona ireto ny minisitry ny mponina ary niezaka ny nandresy lahatra azy ireo mba ho tonga eny Andranofeno satria misy eny ny trano sy fotodrafitrasa afaka mandray azy ireo.Tsy mijanona ho resaka fotsiny ny ady amin’ny fahantrana fa asa sy fanamby tanterahana isan’andro hoy ny minisitry ny mponina Onitiana Realy ary hanatanterahana izany ny faritra rehetra manerana ny nosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.