Politique

Minisiteran’ny indostria Hanao fahagagana ny minisitra HVM ?


  • Alarobia 28 Janoary 2015

Novidian’i Dr Jules Etienne lafo ny fikasany hanokatra ny orinasa Tiko. Na ny birao hiasany aza nampitambazana azy ny tranon’ny indostria mifanila amin’ny hotely Colbert etsy Antaninarenina, hany ka dia nitampifimpify tao amin’ny tranoben’ny Solima nisy ny TVM teo Antaninarenina taloha.

 

Na ny talen’ny kabinetrany aza, Mamy Ratovomalala, tsy tafavoaka hatramin’ny farany ny didim-pitondrana fanendrena azy fa nobahanan’ny tao Ambohitsorohitra. Dia iny niafara tamin’ny nanesorana an’i Dr Jules Etienne tamin’ny toeran’ny minisitry ny indostria sy ny orinasa madinika sy salantsalany ary fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina iny ny raharaha. Nodradraina tamin’ny volana aprily 2014 nananganana ny governemanta Kolo Roger anefa fa ny indostria no ivon'ny fampandrosoana. Olon’ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara no nasolo azy, Rafidimanana Narson. Ho “manga be” izany ny lanitra ho an’ny tontolon’ny indostria sy ny orinasa madinika sy salantsalany ary ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara. Hisokatra amin'izay koa izany ny tetibola ? Ary omena azy ve ny tranon'ny indostria etsy Ambohitsorohitra fa tsy bodoin'ny kabinetran’ny prezidansa, hanaovany fahagagana ?

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT