Fitaovana politika sy mpiaro ny mpitondra fanjakana hatrany no nahafantaran’ny olona ireo adminisitratera sivily Malagasy hatramin’izao
. Diso tanteraka anefa io fomba fijery io satria teknisianina feno mahafehy ny fitantanana ny raharaham-panjakana amin’ny ankapobeny no antsoina hoe «adminisitratera sivily», hoy Raolinarivo Solonavalona Paolo. Tsy isalasalana fa izy ireo no tena tandroka aron’ny vozona azo ianteherana rehefa tonga ny vanim-potoanan’ny krizy eo anivon’ny firenena. Nanimba zavatra betsaka tamin’ny fitantanana an’i Madagasikara ireo mpanao politika tonga teo amin’ny fitondrana izay nanapotika ny hasin’ireo mpiasam-bahoaka nandalina ny tontolon’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Lasibatra manokana vokatry ny safidy sy fanapahan-kevitra politika ny minisiteran’ny Atitany sy ireo adminisitratera sivily, araka ny fanamarihany. Vahaolana tsara indrindra amin’ny fikarakarana ny fifidianana anefa ny minisiteran’ny Atitany miaraka amin’ny fahaiza-manao sy traikefa goavan’ireo adminisitratera sivily tahaka ny zava-misy any amin’ireo firenena efa mandroso. Mariky ny fiandrianam-pirenena rahateo ny departemanta misahana ny Atitany, hoy Raolinarivo Solonavalona Paolo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.