Politique

Minisiteran`ny atitany sy CENI Misy olana ny fiaraha-miasa ?


  • Alarobia 31 Oktobra 2018

Sesilany sy mirarakopana ny kiana mahazo ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).

 

Ny fametrahana ny rafitra rehetra, ny fandrindrana ny eny amin`ny fokontany, ny lisi-pifidianana, ny fahitana fa misy marina ny biraom-pifidianana na tsia dia tsy maintsy minisitera foibe, izany hoe ny minisiteran`ny atitany, no nametraka an`izany. Marihina fa ny minisiteran`ny atitany no mpiahy ny CENI kanefa alaim-panahy ny mpandinika hilaza fa toa misy olana ara-pifandraisana ny roa tonta. Misy feo efa nivoaka mihitsy aza fa maro amin’ny mpiasan’ny minisiteran’ny atitany no sosotra amin’ny fisian’ny CENIT teo aloha izay lasa CENI amin’izao fotoana satria amin’izy ireo dia asa aman’andraikitry ny minisiteran’ny atitany ny fikarakarana fifidianana. Tsy arakaraky ny neritreretina tokoa ny fizotry ny fifidianana satria ny CENI izay nantenaina ho rafitra manana fahasahiana hampanjaka ny fahamarinana eo amin’ny tontolon’ny fifidianana ary hijoro manoloana ny fandikan-dalàna ataon’ireo mpisehatra politika mandray anjara ao anatin’ny fifidianana dia toa lany andro mamono afo sy manao fanambarana fotsiny ary matetika miaro tena. Sao dia ny fanatsoahana ny fikarakarana manontolo ny fifidianana tamin’ny minisiteran’ny atitany tokoa no mahatonga ny savorovoro ? Efa miezaka ihany mantsy ny CENI saingy tsy mety voavaha ireo olana sy ahiahy tsy hihavanana dia io mitarika savorovoro efa arahana fidinana an-dalambe io.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT