Ireo efa leom-boanana ka tsy tia zava-boribory intsony dia milaza fa fotoam-bery fotsiny indray ity fanaovana ny fampihavanam-pirenena tarihan’ny FFKM ity. Efa ela ihany mantsy no nanombohana azy io fa tsy hita izay tena marina
. Ireo manam-pinoana sy mahatoky ny fisian’ny vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao kosa anefa dia resy lahatra fa hafa mihitsy ny zava-mitranga ankehitriny, tsy tahaka ny tamin’ny tetezamita ka noho izany azo antoka fa hahomby ny fampihavanan’ny Fiangonana. Fanontaniana mipetraka kosa anefa ny hoe : ahoana moa izany ny momba ny FFM rafitra ara-panjakana voatondro fa hampihavana ? Ahoana ihany koa ny anjara toeran’ireo olobe na raiamandreny amin’ny faritra maro manerana ny nosy ? Miaraka amin’ny FFM ve sa miaraka amin’ny FFKM izy ireo ? Azo fehezina amin’ny fanontaniana tokana izany rehetra izany manao hoe :afaka hiara-kiasa ve ny FFKM sy ny FFM ? Samy maka ny hevitry ny olom-pirenena mantsy amin’izao fotoana izy roa tonta ireo, ka rehefa misy ny fehin-kevitra dia ahoana ny mety hitranga. Ny mampanahy amin’ity resaka ity dia sao lahy ka hiteraka olana ity fampihavanana amin’ny endriny roa samy hafa ity. Tsy efa tena fotoana ve izao hifampiresahan’ny FFKM sy ny FFM handinihana ny fandrindran’asa ? Sa ve tena samy manana ny hanitra ho azy izy roa tonta ireo. Tsy asa mora mihitsy ny fampihavanana ary mila rafitra sy fomba fiasa mazava tsara fa tsy sanatria ka ny mpampihavana indray no hiteraka olana eto. Efa tena mafy anefa ny fiainan-dRamalagasy, samy milaza ho sahirana avokoa na ny mpandraharaha na ny mpiasam-panjakana na ny mpiasa tena, ny fanjakana anefa manana eritreritra hampitombo ny hetra alaina. Mila vahaolana maika, vahaolana izay miankina amin’ny ampahany betsaka amin’ny mpanao politika sy ny mpitondra fanjakana !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.