Mihamafana ny toe-draharaha ao Toamasina renivohitra. Raikitra indray omaly hariva ny savorovoro, nisy ny fitangoronana andian’olona teny Ambolomadinika izay naneho ny fahasosoran’izy ireo ny amin’ny delestazy
lavareny satria tapaka naharitra indray ny herinaratra tao Toamasina omaly. Niditra an-tsehatra hanaparitaka ny olona ny mpitandro filaminana. Niainga ny tora-bato avy any amin’ireo olona nivorivory. Nanapoaka basy nanao tifi-danitra kosa ny Emmo reg. Nanomboka teo ny fifanenjehana manerana ny tanàna ka tonga hatrany Anjoma izany. Nitohy hatrany ny poa-basy, araka ny fitantaran’ny olona tany an-toerana. Hatreto aloha dia ny delestazy no fototry ny olana ary raha ny filazan’ireo olona midina an-dalambe ao Toamasina ireto dia hihamafy hatrany ny fitakiana raha tsy mety mahita vahaolana ny Jirama sy ny fitondram-panjakana satria efa tena leon’ny fijaliana ny mponin’i Toamasina. Ny alahady alina teo moa no nanomboka ity gidragidra any an-toerana ka nandroban’andian’olona ny biraon’ny Jirama ao Bazar Be, efa niainga ihany koa ny fanaovana sakan-dalana sy fandoroana kodiarana, nisy ny olona 4 voasambotra ny alin’ny alahady io. Tsy nampihemotra ireo mpanao fihetsiketsehana anefa izany fa dia izao mbola nitohy omaly alina izao indray ny raharaha, ary tsapa fa tsy misangisangy mihitsy ireto andian’olona ireto fa tena sahy. Ahiana ny mety hitaran’ity raharaha ity raha tsy mahita paikady haingana handaminana azy ny tompon’andraikitra. Ny tena mampanahy dia mety hitranga amin’ireo tanàna tena mijaly noho ny delestazy izao hetsika any Toamasina izao ka izay vao tena ho sahirana ny fitondram-panjakana, handamina krizy sosialy ao anaty andro fety.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.