Politique

Miketrika ny mpangala-bato Mila fahamailoana goavana


  • Zoma 14 Desambra 2018

Tsy kely lalana ny ratsy ary tena misy ny kajikajy maloto amin’ny fifidianana ka mila fahamailoana goavana. Mila mailo ny rehetra amin’ny fanaraha-maso ny latsa-bato, ny fanisam-bato.

Tsy mijanona eo fa mila hamarinina ny firaketana an-tsoratra, ny fanaterana ny voka-pifidianana eny amin’ny SRMV. Miainga amin’ireo rafitra ireo ny fanaraha-maso hentitra, ka mila delegen’ny kandida tena hentitra sy mailo ary tsy azo rebirebena. Tena ilaina ny fananana ny dika mitovin’ny fitanana an-tsoratra izay inoana fa efa misy ny toromarika saingy hamafisina, ka raha misy ny zavatra diso na mampiahiahy dia eo no ho eo ihany dia tokony hojerena. Maro ny fomba fiady katsahina hatao, toy ny fisian’ny ambara fa olona niova fo avy amina antoko iray tena mpifanandrina hatrany am-boalohany hatramin’izao, kanefa milaza hanolo-tanana hanao delege, ka mila mailo ny kandida sy ny ekipany eo anatrehan’ireny. Ny fampiasam-bola amin’ny hala-bato moa dia tsy takona hafenina, ka mila olona tena mahazaka ny mena miraviravy. Hamafisina hatrany ny fomba fampiasa ny bileta tokana amin'ny andron'io 19 desambra io, fa penina (stylo) manga na fitombokase X, na lavitondro no hapetaka amin’ny faritra voatokana ho amin’izany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT