Nivoaka tamin’ny fahanginana ny dokotera Jean Louis Robinson, filoha nasionalin’ny fikambanana Alliance pour la restauration de la democratie (ARD) manoloana ny zava-misy lalovan’ny firenena ankehitriny.
Nambarany fa efa herintaona latsaka izao no nahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena saingy tsy mbola misy zavatra mihetsika mihitsy eto amin’ny firenena. Be dia be ny zavatra tsy mety hoy hatrany izy toy ny resaka fandriampahalemana izay tsy mampandry andro aman’alina ny vahoaka ka tokony hojeren’ny fitondrana akaiky. Toraka izany koa ilay resaka dahalo miova fo izay zary lasa dokambarotra ka miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina. Ilana fanamboarana maika sy fandraisana fanapahan-kevitra hentitra avy amin’ny mpitondra ireny rehetra ireny, hoy hatrany dokotera Jean Louis. Mampaneno lakolosy amin’iretsy voalohany i Jean Louis Robinson. Tokony hovana ny fomba fitantanan’ny governemanta sy ny fampandrosoana ny firenena amin’ny ankapobeny ao anatin’ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana ny mpitondra, hoy hatrany izy, hisorohana ny fahatongavan’ny ady an-trano raha sanatria mbola variana ny fitondram-panjakana. Vahaolana arosony ny tokony hanaovana fanovan-kevitra sy vina haingana ankoatra ny fampihavanam-pirenena izay notsindriany ihany koa fa masina ka tsy tokony hataotao foana satria miainga amin’ny alalan’ny fibebahana ataon’ny tsirairay hahafahana mifamela heloka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.