Politique

Mihozongozona ny fitondrana Hihetsika ny sendika rehetra


  • Talata 30 Jona 2015

Naneho ny heviny mikasika ny raharahara Air Madagascar ny sendikan’ny mpiasa tamin’ny alalan-dRasoamananoro Lalao, sekretera jeneraly eo anivon’ny FISEMARE omaly

 

. Nambarany fa tena fanosihosena ny sendika mihitsy izao fandrahonana sy ramatahora ataon’ny fanjakana amin’ny mpiasan’ny Air Madagascar izao ka tokony hivondrona ny sendika rehetra hitolona. Ny fanjakana  anefa, hoy izy, no tokony ho maodely ho an’ny sehatra tsy miankina. Tokony havela hitokona ny mpiasa fa tsy gadraina na hampitahorina satria zon’izy ireo izany. Marihina moa fa nitsangana nanomboka omaly ihany koa ny fikambanana hivondronan’ny sendikan’ny mpiasa rehetra ahitana ny fivondronamben’ny mpiasam-panjakana, ny avy eo anivon’ny orinasa JIRAMA, ny sendikan’ny mpiasan’ny fananantany, ny mpiraki-draharaha eny amin’ny fitsarana, ny sendikan’ny mpiasan’ny Adema miampy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ka hanohana ity tolona sendikaly ataon’ny mpiasan’ny Air Madagascar ity. Ireto farany izay nilaza fa tsy hihemotra amin’ny fitakiana hataony na inona na inona hitranga. Ahiana hiitatra ity raharaha Air Madagascar ity satria hihetsika izany ny fivondronan’ny sendika manoloana ny ambaran’izy ireo fa fanosihosena ny zo sendikaly. Tena ho sarotra ny raharaha raha toa ka tsy mahay mandamina ity resaka ity ny fitondram-panjakana satria tsy mora izany hanampim-bava ny sendika rehetra (sendikan’ny mpiasam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina) izany ary tena mety hanozongozona mihitsy ny sezan’ny mpitondra fanjakana aza.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT