Nafana ny hetsi-panoherana tamina renivohi-paritany maro teto amin’ny firenena ny sabotsy teo ary niray feo amin’ny fitakiana ny fialan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany ny rehetra amin’ny ankapobeny.
Fomba fiady sy novoizina hatramin’izay ny hoe : mihetsika eto Antananarivo. Tsy mahasolotena an’i Madagasikara manontolo anefa ny eto an-drenivohitra, hoy ny fialana bala. Inona indray no hambara sy hotenenina taorian’ireny ? Nizara nanerana ny Nosy ny tolona omaly, ka nitarika ny hetsika tany amin’ny toerana nahalany azy avy ireo solombavambahoaka. Depiote miisa 9 sy loholona iray no nitarika ny hetsika tany Toamasina. Nirodorodo ny olona, ary samy nitaky ny hialan’ny filoha avokoa ny herivelona rehetra, izay tonga maro be tao anatin’ny fefy misy ny lapan’ny tanànan’i Toamasina. Tsy tambo isaina ny vahoaka tany Fianarantsoa namaly ny antso, ary niray feo amin’ny tokony hialan’ny filoha sy ny governemanta. Notsiahivin’ireo mpitarika ny resaka kolikoly avo lenta mahasaringotra ny mpitondra. Raha any amin’ny tany mandroso izany efa nigadra, hoy ny depiote iray. Ny filoha mihitsy no niantso ny tenako amin’ny 12 ora sasany hatramin’ny 2 ora sasany nanasa ny saiko sy ny atidohako. Ny ahy tsy mba 50 tapitrisa fa 200 tapitrisa, hoy izy, saingy tsy noraisiko. Mila fahamarinana ny faritanin’i Fianarantsoa. Raha nisy nampahantra ity faritany ity, dia ny kolikoly, hoy ny depiote Hary Andrianarivo. Mba miresaka fisandratana, hono, ilay rangahy, hoy izy mantsy ny filoham-pirenena, saingy adinony angaha fa ny ao anaty baiboly dia miteny fa ny fahamarinana no manandratra ny firenena. Tsy misy olona afaka hampandroso ny firenena raha tsy manao ny fahamarinana. Natao tao amin’ny Kianjan’ny Gara FCE moa ny fihaonana tany an-toerana. Tany Toliara ihany koa dia niisa 9 ireo solombavambahoakan’ny fanovana nitarika ny tolona, izay naneho ny fiombonam-peo amin’ny fitakiana ny fialan’ny filoha. “Izao dia izao !”, hoy ny vahoakan’i Toliara nandritra ny hetsika notarihin’ireo depiote, toa an-dry Tinoka Roberto. Na basy hipoaka, ny vahoaka io tsy hitsoaka, hoy izy. Nisy ihany koa ny hetsika tany Ambatondrazaka teo anoloan’ny “rond point Jovenna”. Nangotraka ihany koa ny tolona tany Mahajanga ary mitovitovy hatrany ny fanehoan-kevitra dia ny hoe : miala ny filoha. Malemy tanteraka moa ny fitondrana eo anatrehan’ireny rehetra ireny, ary tsy misy intsony ny fandefasana herim-pamoretana toy ny fanao hatrizay. Taorian’ilay didy navoaka momba ny lalàm-pifidianana,dia miandry izay mety havoakan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) indray momba ny fitoriana naperak’ireo solombavambahoaka mitaky ny fanesorana amin’ny toerany ny filoham-pirenena ny olona; efa mibaribary ny adalana natao sy ny tsy fahaiza-mitantana koa dia andrasan’ny rehetra izay didy manaraka avoakan’ny HCC momba ilay resaka “Déchéance”.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.