Efa tena sempotra amin'ny fitantanana ny firenena ny fitondrana Rajaonarimampianina ankehitriny. Eo aloha ny olana noho ny rano miakatra ka maha maro be ireo traboina. Sahirana miatrika ity olana iray ity ny fitondrana noho ny tsy fahampian'ny vola sy ny hoenti-manana satria nanome lamosina antsika ireo mpamatsy vola noho ny antony maro samihafa. Ireo traboina ihany koa dia efa mampiaka-peo noho ny fahatsapan'izy ireo fa mitaredretra amin'ny famahana ny olana ny fitondram-panjakana.
Fitokonana etsy
sy eroa
Izao dia manomboka amin'ny fomba ofisialy indray ny fitakiana sy fitokonana isan-tsokajiny. Nisantatra izany omaly ireo mpiraki-draharahan'ny fitsarana sy ny mpiasan'ny fananan-tany manerana ny nosy, ary tena nikatso ny asa raha ny fahitana azy aloha. Rahampitso dia hanao fitokonana fanairana ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka eny amin'ny oniversiten'Antananarivo, mbola tsy tena milamina ny an'ireo mpampianatra FRAM na dia efa nisy aza ny vahaolana vonjy tavan'andro nataon'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena.Tsy mbola fantatra ihany koa izay hitranga eny Ivato eny taorian'ny fanairana efa nataon'ny mpiasan'ny ADEMA ny amin'ny fisian'ny eritreritry ny fanjakana hanome ny vahiny ny fitantanana ny seranam-piaramanidin'Ivato sy Nosy Be. Ankoatr'io, tsy hita izay fanesorana ny Airmad ao anatin'ilay Annexe B hatramin'izao kanefa nambara fa vao mitsidika ny taona 2015 dia ho afaka ao anatin'io lisitra mainty io ity kaompanim-pitaterana nasionaly ity ka izay no nampitsahatra ilay fitokonan'ny mpiasa tamin'ny herintaona.
Hanozongozona ny seza
Eo izany aloha ny fitakina sendikaly, fa mbola resaka hafa atrehana ihany koa amin'izao fotoana ny fanombohan'ny fiakaran'ny vidin'entana eny an-tsena. Tafiditra ao anatin'izany ny arina fandrehitra izay efa tena ilaharana ankehitriny, ny vary, ny menaka, ny legioma isan-karazany. Hita ho malemy sy tsy tena manana vahaolana mazava anefa ny fitondram-panjakana hiatrehana ireo olana marobe ireo. Ny tsapa aza dia manao politikan'ny lelon-jaza mandroso mihemotra ny fanjakana. Norarana tsy mahazo mivezivezy an-tanàn-dehibe ohatra ireo fiarabe mihoatra ny 10 taonina amin'ny antoandro ; avy eo nambara fa mahazo miditra ny tanàna indray izy ireo ny tolakandro. Mba mandinika ve mialoha ny hanapahan-kevitra ny ao ambonimbony ao, sa avy manapa-kevitra vao mieritreritra ? Ny antokon'ny fitondrana ao anatin'izany rehetra izany dia manararaotra ny fahasahiranan'ny olona noho ny rano miakatra mba hanaovana propagandy. Nolazaina tokoa nandritra ny fitondrana tetezamita fa rehefa misy ny fitondrana mijoro ara-dalàna aorian'ny fifidianana izay vao afaka mitaky ireo sendika maro isan-karazany. Herintaona izay no nijoro ny fitondrana, mifoha amin'izay ireo sendika, ary raha ny fahitana azy dia ho taonan'ny fitakiana sendikaly indray aloha ity 2015 ity ary dia ho sahirana ny fanjakana raha tsy mahita paikady sy vahaolana mahomby. Hanaratsy endrika hatrany ny fitondrana ny tsy fahafahany mamaha ireo olana ireo ary mety hanozongozona ny sezan'ireo manampahefana indray aza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.