Raikitra indray ny fihantsian’adin’ny HVM. Vao mainka mampiaka-pofona sy mahatezitra ny depioten’ny fanovana ny amboletran’ny filoha nampanan-kery ireo lalàna fehizoro misahana ny fifidianana ny alin’ny zoma teo.
Raha ny tokony ho izy, rehefa be dia be tahaka ireny ny andininy tokony hovaina dia averina dinihina eny amin’ny antenimieram-pirenena ny lalàna, hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Fantatra anefa fa tsy hanao izany izy ireo, fa ny zavatra nataony dia ny fangatahana fanazavana tany amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ka dia nahazo toky izy fa 15 andro ny propagandy amin’ny fihodinana faharoa, ary bileta manokana no hampiasaina, ka dia tonga dia navoakany ho manan-kery manontolo tamin’ny alalan’ny fankatoavan’ny filoham-pirenena, hoy izy. Ny dikan’izay dia finiavana sy fanaovana tsinontsinona ny depiote sy ny Malagasy satria ireny lalàna ireny no nokianina, ary ny tena izy tokony hieritreritra tsara aloha izy fa tsy manao fihantsiana tahaka izany. Ny fandraisana ireny, hoy izy, dia hoe vonona izy hanao fifidianana amin’izao toetry ny lalàna izao, fa vonona ihany koa hanao fifidianana amin’ireo rafitra rehetra misy, izay tonga dia tsy ekena avy hatrany satria ny filoha, dia nangatahanay hiala, ny governemanta mila hesorina, satria nampanjaka ny kolikoly sy nampandany iny lalàna tsy manjary iny. Mazava ny teniny fa tsy mahavaha olana izany, fa tokony hiala daholo ny rafitra rehetra vao miditra amin’ny fifidianana satria tsy atokisana intsony. Mbola vao lalàm-pifidianana no natao dia efa 5 no maty, izay ny 2 no nentina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Nanao izay fomba rehetra tsy nitiavan’ny vahoaka Malagasy anao ianao, hoy kosa ny hafatra mivaivay miantefa amin-dRajaonarimampianina. Tsy mieritreritra ny hihavana amin’iza fa ny niady aman’olona nandritra ny 4 taona no natao satria niadivana ny olona nanohana, niadivana ny olona nanolotra anao. Ho an’ny iraky ny firenena mikambana, dia any amin’ny tsy mivonto no manaintaina satria aty amin’ny kianjan’ny 13 mey no marary, kanefa olon-kafa no voriana. Antsasak’i Madagasikara ny depiote 73, ka tsy tokony hotsinontsinoavina. Manahy izahay, fa mbola misy resaka kolikoly ihany koa amin’ireo iraky ny Fianakaviambe iraisam-pirenena tonga eto, hoy ny fanambarany. Efa nisy izany tamin’ny fanaovana “ni…ni…”. Ankoatra izay, ireo zava-tsoa antsika teto, dia nahazo ny anjarany izy ireo ka tamana. Valizy be no entiny miverina, nivoaka ny vatosoa teto nandritra ireny fanelanelanana tamin’ny tetezamita ireny, raha ny nambarany. Ny fampihavanana dia tsy anjaran’ny Iraka iraisam-pirenena izany fa misy ny FFKM na ny FFM. Ny mampifanatona no anjaran’ireo, raha ny fanazavana.Mbola nafana ihany koa ny hetsika teny an-kianja omaly nanamarihana ny faha 46 taonan’ny tolona tamin’ny 13 mey 1972, ary nijoro ho vavolombelon’ny tantara teny ireo mpitolona tamin’izany fotoana toan-dry Maitre Olala sy Constant Raveloson; ny tantara tsy fanadino, maro ny lesona tsy maintsy raisina hoy izy ireo, ary mbola tsy vita ny tolona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.