Politique

Miha mahery vaika ny tolona Faharavan’ny fitondrana no fetra


  • Sabotsy 05 Mey 2018

Fandresena lehibe iray ho an’ny tolon’ny depioten’ny fanovana sy ny vahoaka ny nandavan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana noho ny teboka marobe tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana.

 Fahafaham-baraka tanteraka ho an’ny governemanta sy ireo depiote nampandany azy, indrindra ny teo anivon’ny antenimierandoholona, izay nandany azy iny tsy nisy fanitsiana ireny. Mibaribary ny maha lalàna kitoatoa azy, ary toa manaporofo fa jamban’ny kolikoly sy ny vola ireo nandany azy. Fandresena voalohany iny fa mbola misy ilay fanesorana ny filoha na ny “déchéance » andrasantsika, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Ny tokony ho tohiny araka ny lojika, hoy hatrany ity depiote sady mpisolovava ity, dia tokony hametra-pialana ny praiminisitra, ny governemanta sy ianareo mpitondra ireo, rehefa nolavin'ny HCC iny volavolan-dalàna  iny. Nilaza koa izy fa tsy izao fanjakana izao no hitantana ny fifidianana fa fanjakana be kolikoly, mpangalatra, tsy atokisana ka miala. Midika iny didy iny fa ireo solombavambahoaka ho an'ny fanovana no mahay, raha ny nambarany. Tsy mahay ianareo governemanta ka fahendrena ho anareo ny mametra-pialana haingana daholo. Miala daholo ianareo rehetra, hoy i Me Hanitra Razafimanantsoa. Very fotsiny ny volam-bahoaka nentina nanaovana kolikoly. Fandresena voalohany iny fa ny faharoa mbola mitohy dia ny hoe miala Rajaonarimampianina sy ny ekipany, izany hoe ny faharavan’ny fanjakana no fetran’ny tolona raha halalinina. Tsy hekena ny hisoloan'ny filohan'ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao handray ny fahefana, raha miala ny filoha satria na ny antony nahatonga azy ho filohan’io andrim-panjakana io aza, dia ambara fa tsy manara-dalàna. Mitohy hatrany ny tolona ho azy ireo. Mbola nitohy omaly ny fakana ny mpiasana minisitera, ka teny amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana, minisiteran’ny serasera samy eny Nanisana, ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany ary ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro no naleha. Nisy ny fiambenana nataon’ny mpitandro ny filaminana maro be, saingy navela hivoaka ankalalahana ny mpiasa. Hihamafy hatrany ny tolona anio, tsy eto Antananarivo fa hatrany amin’ny faritany toa an’i Toliara, Ambatondrazaka, Mahajanga … Ho an’ny eny Analakely, dia hanampy tosika eny ny artista maromaro.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT