Politique

Mifampatoky i Dada sy ny vahoaka “1er tour” dia vita no tanjona


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Mifampatoky ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana sy ny vahoaka Malagasy fa rehefa lany ho filoham-pirenena izy dia fanamby ny hoe samy higoka ny tandrify azy ny sokajin’olona isan-tokony ka ho afaka amin’izao haizin-kitroka misy azy izao.

 

Fihodinana voalohany no tanjona. Mialoha ny faradoboka goavana handraisan’ny vahoaka an’alin-kisa maro anjara anio sabotsy 3 novambra 2018 eny Mahamasina, dia mbola niverina tany amin’iny afovoany andrefan’ny Nosy iny izy, dia tany Arivonimamo, Tsiroanomandidy, Fenoarivobe, Firavahana Sarobaratra, Antsirabe ny tenany omaly. 100% no omenay anao, hoy ny hiakan’ny vahoakan’Antsirabe omaly. «  Antsika Vakinankaratra ary tsy hivadika aminareo mponina eto izany Dada », hoy ny kandida Marc Ravalomanana namaly io antsoantso io. Tsy maintsy miasa ny tanora rehetra, hoy izy. Naseho ny « kits scolaires » ho an’ny mpianatra izay tsara kalitao sy ny solosaina na “tablette” raitra. Ao koa ny “tablier”. Mitovy amin’ny fitiavako ny zanako ny itiavako ny zanaky ny Malagasy, hoy i Marc Ravalomanana. Hisy ny fanofanana arak’asa hamboly vary, ovy, karaoty sy zavatra maro hahafaha-mamokatra. Tanànantsika ity, haintsika ity Antsirabe ity, hoy izy. Tsy maintsy mamorona asa maro be isika ho an’ny Malagasy, ary hamoraina ny fahazoana findramam-bola any amin’ny banky mba hahafahan’ny mpandraharaha manangana orinasa. Ny lalana amboarina ary tena tsara kalitao fa tsy tampitapenana fotsiny, hain’i Dada io manamboatra lalana io.

 

Taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 dia niparitaka ny basy, ireny no nampiasain’ny malaso hampitahorana ny olona sy hangalarana omby. Rehefa tonga eo i Dada dia misy paikady vaovao apetraka, arovana ny olona sy ny fananany, tsy maintsy apetraka ny fitsarana atokisan’ny vahoaka, mitsara araka ny marina sy ny rariny mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka. Omena fitaovana tsara sy moderina ny mpitandro ny filaminana… Mandeha ny fanandramana ny fitaovana raitra “drone à infrarouge” hiarahana amin’ny Amerikanina any Ifanadiana Andranomafana amin’izao fotoana. Tamin’i Dada filoha tsy nisy Malagasy natory tany an-tsaha noho ny tahotra ny dahalo izany. Manaraka dia tsy maintsy omena fitsaboana sahaza azy ny olona, mampahonena ny zava-misy eny amin’ny toeram-pitsaboana sy hopitaly satria tena tsy manam-bola ny olona… Hampitombo ny fidiram-bola any am-paosin’ny Malagasy i Dada. Taorian’ny 2009 mantsy nitotongana 100% ny sandan’ny vola Malagasy… Nivoitra tao Arivonimamo toerana nanombohany ny fampielezan-kevitra ny hananganana orinasa eo amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa 3P (Partenariat Public Privé). Tao Fenoarivobe kosa dia ny fanamboaran-dalana no tena nifotoran’ny resaka satria ratsy dia ratsy tokoa ny lalana mihazo any izay antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ihany koa. Porofoin’ny Malagasy fa tsy taitra amin’ny fampanantenana poakaty fa efa mahalala tsara ny safidiny.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT