Politique

Miandry ny fijoroan’ny governemanta ny mpisehatra politika, ny firahamonim-pirenena…


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Minisiteran’ny fampihavanam-pirenena Miandry ny fananganana azy ny CRN

 

 

 Mbola baraingo ny mety ho firafitry ny governemanta saingy samy manana ny andrasany. Ho an’ny CRN (Comité de la reconciliation nationale) tarihan’i Tabera Randriamanantsoa, anisan’ny tolo-kevitra narosony ny fametrahana ny minisoteran’ny fampihavanam-pirenena. Resaka nipetraka efa tany Maputo, tany Addis Abbeba, tany Pretoria ny fangatahan’ny CRN hampisy governemantan’ny fampihavanam-pirenena. Hatao hisahana ny tena fampihavanam-pirenena io minisitera io, hoy ny CRN. Notsipihany koa fa raha toa ka tsy hatao minisitera iray manokana ny fitantanana ny fampihavanam-pirenena dia hatao ao ambany fifefehezan’ny minisiteran’ny atitany. Tsy maintsy manao izany ny filoham-pirenena vaovao satria efa tapaka tany Maputo sy Addis Abeba. Nomarihany fa  26%-n’ny Malagasy no nifidy an’i Andry Rajoeilina kanefa dingana tsy azo ihodivirana hahafahana manana fahamarinan-toerana ara-politka sy antoka hisian’ny fiaingana vaovao ho an’ny fampandrosoana ny fanatanterahana ny tena fampihavanam-pirenena eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny fanazavana. Ankoatra izay, mitaky ny fampihenana ny isan’ny minisitera ho latsaky ny telopolo ny CRN.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT