Politique

Miala any indray ny “loham-boto”


  • Zoma 16 Janoary 2015

Hoy ny Malagasy : “tsy mora ny manao zavatra”, saingy misy koa anefa ny olona manasaro-javatra. Ny olon-drehetra nilamina, nahay nifehy tena, rehefa hoe tsy miteny dia tsy miteny aloha.

Ny filohan’ny tetezamita teo aloha kosa dia nirifatra nivoaka ny trano, tahaka ny fanaony, tsy niandry ny fanambarana teny Ivato, tsy nanaja ireo raiamandreny am-panahy nitarika ny fivoriana, tsy nanaja ireo filoham-pirenena voafidim-bahoaka niara-nivory taminy sady zokiny ara-taona. Tonga teny amin’ny hotely Carlton indray izy raha nanomboka ny kabariny dia tsy niarahaba ny vahoaka Malagasy noho ny fahatrarana ny taom-baovao 2015 akory, asa na enti-javatra na efa maika loatra hanakiana sy hiantsy ady angamba. Iza moa no tena tsy madio fo sy tsy madio saina amin’izany ? Iza no tena mihatsaravelatsihy ? Nanaiky nanasonia ilay fanambarana namintinana ny fivoriana omaly ihany i Andry Rajoelina, kanefa avy eo mametraka ahiahy amin’ny fampihavanam-pirenena tarihan’ny FFKM. Madio fo sy saina ve ny olona manao izany ? Nibaribary omaly indray fa tena mitady hamerina ny bontolo nampalaza azy ity filohan’ny tetezamita teo aloha ity, ary raha izao no mitohy dia tsy hampisalasala azy mihitsy ny haka ny fahefana eny an-dalambe sy amin’ny alalan’ny fampiasana basy indray, indrindra moa fa raha mitaredretra sy mikorontana fomba fiasa tahaka ny fanaony ny fitondrana misy amin’izao fotoana. Efa misy rahateo ireo mpikarama an’ady politika vonona hanohana azy sy efa nampiseho ny fankahalan’izy ireo ny fitondrana misy ankehitriny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT