Tsy misy fahagagana, hoy ny Mgr Odon Razanakolona fa misy ezaka takiana amintsika tsirairay izany. Amin’ny maha zanak’Andriamanitra anay dia manao izany izahay. Ny Fiaiken-keloka dia rehefa mino an’Andriamanitra dia tsy maintsy miankina aminy, hoy izy. Nahitsy ny tenin’ny Arsevekan’Antananarivo raha nilaza fa : « tsy misy tsy nanota isika rehetra ka tsy misy afaka miala. Aza mijery olona hafa fa jereo aloha ny tenanao. Ny olona manao fiaiken-keloka ka mibebeka no manana ny marina ».
Lalan-tsarotra
Lalana sarotra ny fampihavanana kanefa io no lalana hitanay fa mifantoka amin’Andriamanitra ary manam-pinoana ny firenena, aoka ny fahatahoran’Andriamanitra no hibahana ao amin’ity fampihavanana ity hoy izy.Notanterahana tetsy amin’ny Fjkm Atsimon’i Mahamasina omaly tolakandro ny vavaka fangataham-pitahiana ho fanohizana ny dinika ho fampihavanam-pirenena tarihin’ireo filoham-piangonana sy ny birao foibe FFKM. Ny Pretra Raharison Thierry Alain no nitory teny tamin’izany izay nalaina tao amin’ny Tantara 7:12-16, II Petera 3:8-14, Matio 5: 21-26. Ny Arsevekan’Antananarivo ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona kosa no nanao fanentanana momba ny 4F. Nambarany fa asan’ny fiangonana ny fampihavanana ka tsy azo avela.
Malaina hihavana ny sasany ?
Ny mpitandrina Rasendrahasina Lala filohan’ny Fjkm, tamin’ny fandraisam-pitenena nataony dia nisaotra ireo rehetra nanampy tamin’ny fikarakarana, sy ireo tonga nanatrika ny fanompoam-pivavahana. Tonga nanatrika ity fanompoam-pivavahana ho fangataham-pitahiana ny firenena sy ho fanohizana ny dinika fampihavanana ataon’ny FFKM ity Rtoa Lalao Ravalomanana. Hafaliana no nandraisan’ireo vahoaka Kristianina azy teny an-toerana. Tazana teny ihany koa ireo avy amin’ny ankolafy Ravalomanana toa an-dry Manandafy Rakotonirina, Satrobory, ireo CST sy CT teo aloha.Teny amin’ny Fjkm atsimon’i Mahamasina koa omaly ireo filoha teo aloha dia Atoa isany Didier Ratsiraka, Zafy Albert. Tsy nanatrika ny fotoana kosa ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina (lasa any Aostralia).Nanatrika ny fotoana ihany koa ny praiminisitra Kolo Roger,anisan’ny tazana teny Mahamasina ihany koa ny Dr Jean Louis Robinson, ny praiminisitra teo aloha isany ny jeneraly Desiré Rakotoarijaona sy ny jeneraly Charles Rabemananjara , hita teny ihany koa ny PDS-n’Antananarivo Renivohitra Atoa Ny Hasina Andriamanjato.
Mety hikatso ?
Teny Mahamasina ny filohan’ny FFM, Rabotoarison Sylvain, fa tsy hita ny ankamaroan’ireo mpikambana ao amin’ity andrim-panjakana ity. Inona no antony ? Filoha lefitra ny avy amin’ny CENI-T. Hanao ahoana ny tohiny eny amin’ny Faravohitra ? Na ny firafitr’ireo solontenan'ny ankolafy sy ireo mpandray anjara fantatra fa hamonjy ity fampihaonana ataon’ny FFKM ity aza mantsy toa olona tsy mahatapa-kevitra ny ankamaroany ho avy eny. Raha ny fantatra dia fanohizana ny dinika notarihin’ny FFKM teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny volana mey 2013 ity atao ankehitriny ity. “Fiaiken-keloka, fifamelana, fahamarinana, fampihavanam-pirenena na ny 4F”, no itondran’ny FFKM ny fakan-kevitra, handrafetana ny votoatin’ny fampihavanam-pirenena tiana hatao eto Madagasikara. Eo amin’ilay “Fiaiken-keloka” anefa dia mety efa hikatso ny raharaha. Ny ankolafy Ravalomanana, ohatra, dia tsy hanaiky velively ny hiampangan’ny amiraly Ratsiraka azy ho nanongam-panjakana tamin’ny 2002, mety tsy hanaiky ny hiampangan’ny ankolafy Rajoelina ho tompon’antoka tamin’ny raharaha 7 febroary 2009.Marina fa tsy maintsy hisy dingana maro ny fampihavanam-pirenena, fa na izany aza dia nanaitra ny maro ihany ny tsy nahatongavan’ny Hery Rajaonarimampianina, izay filoham-pirenena am-perinasa teny Mahamasina omaly, izy izay tokony ho fitaratra amin’ny fampihavanam-pirenena. Atoa Andry Rajoelina indray dia tsy mahagaga firy ny maro intsony ny tsy fahatongavany satria efa nasehony nandritra ny 5 taona naha filohan’ny tetezamita azy fa tsy dia mazoto firy amin’io resaka fifamelana sy fampihavanana io izy.Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.