Manomboka mirarakopana ny fanambaran’ny antoko politika sy fikambanana samihafa amin’ny fampandaniana ny kandida Marc Ravalomanana amin’ny fihodinana faharoa.
Taorian’ny Fikambanana Zanak’Avaratra tarihin’i Papa Soulé afak’omaly, dia nanambara teny Antanimena ihany koa omaly ny MFM Analamanga miaraka amin’ireo namana any amin’ny faritra izay mbola hanao fanambarana samihafa, fa hampandany sy hampifidy ny kandida laharana faha-25. Mitaona ireo namany handa ny baiko mifanohitra amin’izany izy ireo, izay efa niaraka tamin’ny kandida Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana voalohany. Amin’izy ireo dia tsy tokony homena fahefana ny mpandrava firenena, ka izay no hanohanany an’i Marc Ravalomanana. Maro ny zavatra efa niarahana taminy fa ny tena lehibe indrindra dia ny fahavononana hijery ny fampandrosoana miainga eny ambanivohitra, fijerena lalam-barotra sy lalam-bola vaovao mitondra any amin’ny fahavitan-tena toy ny ara-tsakafo, ohatra, hoy i Voninahitriniaina Herilanto mpitarika ny MFM Ambatolampy. Sambany tamin’ity propagandy ity no nipoiran’ny fanjakana izay hampiorina ny fandriampahalemana sy filaminana ho an’ny vahoaka. Izay no maha fanjakana ny fanjakana, hoy kosa Randriamahaleo William, mpiandraikitra ny MFM eto Analamanga. Ny tena fototry ny raharaham-panjakana dia ny hilaminan’ny tany ama-monina. Na ny resaka fihariana, sosialy, tontolo iainana, dia miankina amin’ny fisian’ny filaminana. Mahatoky ilay fanambin’ny kandida Ravalomanana hametraka fanjakana matanjaka afaka mandamina ny tany ama-monina izay dingana lehibe amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara izahay, hoy izy ireo. Ny olona no nasaina nandoa vola nanohana ny kandida, fa tsy mividy olona, izany hoe tena kandidan’ny olona sy ny vahoaka izy, hoy hatrany ny fanambarana. Miasa miaraka ary ao anatin’ny K25 mazava ho azy ireto MFM Analamanga ireto, ary efa tena mamondron-kery, toy ny any Ambatolampy izay efa nahazoan’ny kandida Marc Ravalomanana isam-bato ambony saingy hohamafisina. Miantso ireo namana ao anatin’ny MFM izay nanohana kandida hafa tamin’ny fihodinana voalohany mba hiara-kamondron-kery amin’izay hanohana ny kandida faha-25 ny MFM, hoy ny hafatra ho an’ireo namany.
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.