Ny sabotsy 19 janoary aorian’ny fianianan’ny filoha nambaran’ny HCC fa voafidy dia hisy ny filankevitry ny minisitra hotarihiny, ary hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian aorian’izay, raha ny vaovao mivoaka.
Raha ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana no arahina, dia ny vondrona parlemantera maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena no manolotra anarana, ary arakarak’izay ihany koa ny mpikamban’ny governemanta. Ny MAPAR no maro an’isa hatreto, arahin’ny TIM. Ny 5 febroary izao no tokony ho fantatra ofisialy ny anaran’ny praiminisitra vaovao na ny mpikamban’ny governemanta mihitsy aza. Tombantombana anefa ny an’ny rehetra fa miandry izay hiseho isika. Mbola baraingo amin’ny rehetra ny mety ho endriky ny governemanta hitsangana eo na ho governemantan’ny firaisam-pirenena na ho governemanta teknisianina fa malalaka amin’izany i Andry Rajoelina. Fanontaniana iray lehibe mipetraka ihany koa ny hoe hiditra ao anatin’io ve ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara (TIM) raha misy ny fiantsoana sa hisafidy ho mpanara-maso mpitazana sy mpanara-maso ? Nanaja ny didin’ny HCC, niarahaba, nitsodrano sy nirary soa ny filoha lany i Marc Ravalomanana. Tsy azo tsinontsinoavina ny tanjany ara-politika sy ny vahoaka mpiara-dia aminy, raha ny antontan’isa tamin’ny fifidianana no jerena. Samy manana ny heviny ny olona. Ao ny milaza fa tsara kokoa ho an’ny K25 sy ny TIM no tsy miditra ao fa mipetraka ho mpanara-maso satria tsy voatery ao anaty rafitra vao afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana. Aleo aloha hataony sao tsy vita ny velirano ka ailika amin’ny hoe fiaraha-mitantana, ary fanajana ny sata Repoblikanina ny famelana malalaka izay lany aloha, hoy ny fanehoan-kevitra. Mipetraka ho arofanin’ny mpitondra hiteny izay tsy mety, izany raha io hevitra iray io. Ao ihany koa anefa no tsy mametraka olana amin’ny mety ho fidiran’ny TIM ao anatin’ny governemanta vaovao, ary hahafaha-manara-maso ny fihodin’ny fitondrana ny firenena izany. Fotoana hifanomezan-tanana izao, fa kosa mila mazava ny fitsipi-dalao raha hiditra, hoy ny sasany. Olon-kendry i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-manapaka aminy, ary mahalala izay mahasoa ny vahoaka sy ny firenena, ka dia miandry izay hiseho ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.