Mangotraka ny fitetezam-paritra amin`izao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ataon`ireo kandidà sasany.
Manaraka azy ireo ihany koa ireo mpanao politika tompondaka amin`ny fivadihana palitao. Tsy tahotra tsy henatra intsony fa avy hatrany dia mahasahy manao fanambarana ampahibemaso mihitsy ny mpanao politika sasany amin’ny fiovana antoko politika amin’izao fotoana. I Guy Maxime Ralaiseheno, ohatra, izay mpanara-dia teo anivon`ny antoko Tiako I Madagasikara avy eo nanohana an`ny kandidà Orlando Robimanana dia izao miara-dia amin`ny praiminisitra teo aloha, Mahafaly Olivier. Tsy azo adinoina ihany koa ny loholona HVM Berthin Andriamihaingo, izay nanao fanambarana fa hanohana ny filohan`ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina. Dr Jean Louis Robinson, izay mpifanandrina tamin`ny filoha teo aloha nandritra ny fifidianana 2013 dia nilaza ihany koa fa hanohana ny kandidan`ny IEM. Toa lasa fahazarana tato ho ato izany. Tombontsoa toy ny seza sy vola ve ny fotokevitra ijoroan`ireo mersenera politika ireo ? Tsara ny manamarika fa rehefa maro ny mpanao politika mersenera ao amina antoko iray na vondrona politika iray dia mahatonga ny ady an-trano satria tsy misy ny fototra politika. Mahavariana anefa fa mbola misy ireo olona sasany izay manaiky horebireben`ireny olona tsy misy hazon-damosina ireny amin`izao fotoam-pifidianana izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.