Politique

«Mémorandum» «Tsy misy resaka 4x4 na fanambazana vola», hoy i Andriamahefa Henri Charles


  • Alakamisy 10 Septambra 2015

Tena nanao sonia an’ilay «Mémorandum» ny tenako, hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles voafidy tany amin’ny Distrikan’i Moramanga

 

. Ny ain’ny firenena no banjinina ka aoka tsy hifamitapitaka sy tsy hifanasa vangy lava izao. Soso-kevitra narosonay tamin’ny filoham-pirenena ny hamerenana ny CLD, ilay nahazoan’ny Distrika tsirairay manerana ny Nosy ny fanampiana 60,4 tapitrisa Ariary ka ny solombavambahoaka isanisany voafidy no mitantana azy ary efa neken’ny filoham-pirenena. Ao no maka ny anjara volany amin’ny asa atao rehetra ny Distrika. Marihana, hoy Randriamahefa Henri Charles, fa tsy misy resaka 4x4 homena ny depiote ny fanaovana sonia ny “Mémorandum”, tsy misy koa fanambazana vola fa izay eritreritra hoentina hampandroso ity firenena ity no katsahinay. Nomarihany ihany io koa fa efa nahatratra 91 ry zareo izao no nanao sonia an’io «Mémorandum» io. Fifanarahana eo aminay samy depiote no nahafahana nanao azy fa tsy nahafantatra ny fisiany velively ny filohan’ny Antenimieram-pirenena fa rehefa any aoriana dia manaraka ny lalan’ny besinimaro fotsiny izy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT