Niala tamin’ny fahanginany ny Me Rasamimaka Mahefalahy nilaza ny fahitany ny raharaham-pirenena misy ankehitriny.
Amin’ity mpahay lalàna ity dia misy antony ao matoa “mikorontana” ohatra izao ny raharaha sy mihetsika maneho ny “hitany fa tsy mety” ny olona. Ho an’i Me Rasamimaka dia “tokony hijanona ho mpampihavana ny filoham-pirenena, fa tsy izy indray no miady ho ampihavanina amin’ny maha raiamandreny azy voalazan’ny lalàmpanorenana. Tokony hampiharina fa tsy atao teny manainga sy mampandry adrisa fotsiny ilay fampihavanam-pirenena satria tena ilaina”. Nomarihany hatrany fa tsy ampahafirin’ny ady tany Etazoania, tany Rwanda, tany Afrika atsimo, ary tamin’ny ady lehibe voalohany sy faharoa, ny zava-nitranga teto amintsika nefa dia zary lasa olana lava ny fampiharana ny fihavanam-pirenena. Mbola ny lalan’ny ‘mpandresy’ no misy aloha hatramin’izao”. Nambaran’ity mpahay lalàna ity hatrany, fa tsy mitakitaky foana azy io ny mpamatsy vola, ary ireo voalaza fa fanampiana omeny antsika ireo dia takiany ny fampiharana izany avokoa, nefa hatreto dia resaka am-bava fotsiny no fampiharana. Hatreto dia tsy mety miainga ilay fampandrosoana andrasana amin’ny mpitondra, fito volana aty aoriana na fihaonana matotra amin’ny mpamatsy vola aza tsy misy, ireo efa vonona dia mitaky ilay “fihavanam-pirenena” avokoa vao hiara-kiasa amin’ny fanjakana Malagasy, hoy hatrany i Me Rasamimaka Mahefalahy. Midika izany fa ny fahavononan’ny mpitondra tena hiditra amin’ny “fampihavanana marina” no andrasan’ny Malagasy sy ny mpiara-miombona antoka rehetra. Kely anefa sisa ny fotoana ho an’ny mpitondra raha ny zava-misy, ka raha mbola “matory” eo ny mpitondra, dia ho krizy vaovao indray no hitranga ka vao mainka handentika an’i Madagasikara an-davaka sy ny Malagasy anaty fahantrana lalina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.