Voaporofo izao fa tsy nandika lalàna i Neny Lalao Ravalomanana, hoy ny mpisolovava azy Me Hasina Andriamadison.
Tao Alasora dia nisy ny kandida ben’ny tanàna nampiasa ny hoe Neny ihany koa, hoy izy tahaka izany koa ny kandida tsy miankina maromaro manerana ny nosy izay nisy nampiasa solon’anarana tao amin’ny bileta tokana.
Augustin Andriamananoro
Tsy dia nisy zavatra azo nantenaina loatra momba ny didim-pitsarana mahakasika ny fifidianana satria nolavina ny 90%-n’ny fitarainana, hoy i Augustin Andriamananoro avy ao amin’ny Mapar. Midika izany fa ny tsindry avy amin’ny fitondram-panjakana mba hampandaniana ireo kandidam-panjakana. Misaona ny demokrasia eto Madagasikara hoy izy.
Ady amin’ny kolikoly
Hosoniavina amin’ny 21 septambra ho avy izao ny paikady vaovao enti-miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Nijoro ho mpitarika ity asa goavana ity ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.