Misy zavatra tsy mety mihitsy eo amin’ny raharaha Marc Ravalomanana ankehitriny, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Antananarivo. Voalohany aloha dia mampanontany tena hoe
inona marina no hitazomana azy ? Hatramin’izao (omaly) tsy misy famotorana atao aminy mihitsy fa ireo lazaina fa niray tsikombakomba tamin’ny fampidirana azy teto Madagasikara indray no nahavita izany. Faharoa, amin’ny maha mpisolovava ahy, hoy ity solombavambahoaka ity, dia milaza aho fa ny olona rehetra raha misy hitazonana azy dia tokony hatao famotorana aloha ary avy eo ny dosie mivoaka amin’izany no atolotra ny fitsarana hitsarana azy raha ilaina. Eto amin’ity raharaha prezidà Marc Ravalomanana ity, dia misy ny fanitsakitsahana tsotra izao ny zon’ny mpiaro ny voapanga sy ny zon’ny harovana. Zo fototry ny olona harovana ny miresaka amin’ny mpisolovavany ary zon’ny mpisolovava ihany koa ny mahafantatra ny fototry ny olana mahazo ny olona harovany. Amin’ity raharaha ity anefa dia voahitsakitsaka tanteraka izany zon’ny mpisolovava izany. Raha fehezina dia manana zo hiaro tena sy hanana mpisolovava ny olona tazonina am-pojna na any amin’ny “residence surveillée”. Fahatelo, dia mbola haveriko hatrany, hoy ny depiote Lobo Razafimanantsoa, fa tsy heloka velively ny fodian’ny olona iray eto an-tanindrazany. Izy dia mpitaingina sy mpanofa fotsiny ny fiaramanidina notaingenany fa sady tsy mpanamory no tsy tompona kaompania mpitatitra, ireto farany anefa no tokony hotoriana amin’ny lalàna raha misy izany. Fahefatra farany dia nilaza ny ACM fa tsy nitory ny filoha Marc Ravalomanana fa ny kaompaniam-pitaterana sy ny mpanamory no notorian-dry zareo. Noho izany dia tsy an-drariny ny fitazonana ny prezidà Ravalomanana ka mitaky ny hamoahana azy tsy hisy fanohintohinana ny fahalalahana fa izany no antoky ny fitoniana voizina isan’andro izao. Ny olona manana fahafahana no afaka mifampidinika fa tsy izay tazonina any amin’ny “residence surveillée”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.