Ny lalŕna iraisam-pirenena dia milaza fa manan-jo miditra sy mivoaka amin’ny taniny ny olom-pirenena iray, noho izany dia tsy misy lalŕna manakana ny filoha Ravalomanana tsy ho avy eto amin’ny tanindrazany mihitsy, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa, filoha lefitry ny antenimieram-pirenena omaly raha naneho ny heviny momba ity raharaha Ravalomanana ity izy.
Marina fa tampoka ny fodian’ny filoha Ravalomanana, hoy izy kanefa efa nampoizina hatry ny ela fa tsy maintsy ho avy izy na ho ela na ho haingana. Noho izany dia tokony ho ny lafitsarany no hojerena amin’ny fahatongavany fa ampiasaina handranitana ny an-daniny sy ny an-kilany indray izany. Misy roa ny safidy hoy izy : na isika hifanandrina amin-kery na hiresaka an-databatra boribory. Manana ny sata manokana maha filoham-pirenena azy ny filoha Ravalomanana koa noho izany dia mitaky ny hamerenana azy eo amin’ny toerana misy azy izahay dia ny eny amin’ny tranony ao Faravohitra izany, hoy Me Hanitra Razafimanantsoa. Anisan’ny singa hiverenan’ny fitoniana eto amin’ny firenena ny filoha Ravalomanana koa dia avelao izy hanana ny fahalalahany, avelao izy hanao politika, avelao izy hanarina ny orinasany, hoy hatrany izy. Momba ny fisamborana sy fitazonana ny mpiambina teo alohan’ny filoha Ravalomanana, Jean Marc Koumba dia nilaza i Me Hanitra fa tsy manaraka ny fenitry ny lalàna velona izany. Raha toa firaisana tsikombakomba na « complicité » tamin’ny fampidirana an-tsokosoko an’i Marc Ravalomanana no hitazonana azy dia tokony ho Atoa Ravalomanana no nohadiadiana voalohany, tsy izay anefa no natao. Tsy tokony hisy intsony ny mety ho fihoaram-pefy sy ny fandrangitana toy ity fisamborana an’i Jean Marc Koumba ity fa tokony hiditra amin’ny fitoniana ny rehetra, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.