Politique

MDM Manohana ny fampihavanan’ny FFKM


  • Alarobia 10 Desambra 2014

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny antoko Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara rehefa tsy nahatanty intsony ny zava-mitranga iainana eto amin’ny firenena ankehitriny, na dia anisan’ny nanohana ny filoha aza

. Nifanohitra tamin’ny foto-kevitra nanohanany ny filoha am-perinasa amin’izao mantsy ny zava-misy, hoy ny birao nasionaliny omaly  izay tsy mifandraika intsony amin’ny fanjakana tan-dalàna, ny ady amin’ny fahantrana…Ny mifanohitra amin’izay no hita hoy ihany izy ireo toy ny fahatapahan-jiro sy rano matetika, ny firoboroboan’ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana… Ekena, hoy izy ireo fa tsy misy ny fahagagana saingy na izany aza tsy ahitana tara-panantenana kely akory ny zava-misy iainana ankehitriny. Manoloana izany dia manohana feno ny raiamandreny am-panahy FFKM ny MDM hahafahana miroso haingana amin’ny fampihavanana hiadanan’ny vahoaka 22 tapitrisa. Ho azy ireo mantsy dia anisan’ny efa lafitsaran-javatra ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana eto an-toerana hirosoana haingana amin’izany. Tafiditra ao anatin’io, hoy hatrany ny MDM ny fampihavanana ny mpitondra amin’izao sy ny vahoaka noho ny kobaka am-bava sy ny fampanantenana nataony tamin’ireto farany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT